TJE 2026
Omeo sehatra ny talentanao, ampandrosoy ny tetikasanao

Trophée du Jeune Entrepreneur 2026

BNI MADAGASCAR dia manolotra ny andiany faha-17 amin’ny “Trophée du Jeune Entrepreneur”. Fifaninanana nasionaly izay natao hamantarana, hanohanana ary hanampiana ireo tanora manana talenta eo amin’ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara, indrindra amin’ireo sehatra manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana sy mbola afaka mivelatra bebe kokoa.

Iza avy no afaka mandray anjara ?

Misokatra ho an’ireo mpandraharaha sy mpitondra tetikasa tafiditra ao anatin’ireto endrika ireto :

  • Startup mbola eo am-pananganana na vao manomboka
  • Orinasa efa eo am-pivoarana ary manana vintana lehibe amin’ny fitomboana

Misy sokajy 3 samihafa :

  • TJE STARTUP : ho an’ireo tetikasa manavao mbola eo am-pananganana
  • TJE CROISSANCE+ : ho an’ireo orinasa efa eo am-pivoarana
  • TJE FEMME ENTREPRENEURE : ho an’ireo vehivavy mpandraharaha

Ahoana ny fomba fandraisana anjara ?

  • Sintomy ny taratasy fangatahana mifanaraka amin’ny sokajy misy anao
  • Fenoy ny antontan-taratasy fisoratana anarana
  • Alefaso any amin’ny adiresy : [email protected]

Daty farany fandefasana ny antontan-taratasy : 01 Septambra 2026
Andao hiara-hamorona ny ho avy. 

Taratasy fangatahana TJE CROISSANCE+ 2026

Fitsipika mifehy ny TJE CROISSANCE+ 2026

Fitsipika mifehy ny TJE STARTUP 2026

Fitsipika mifehy ny TJE STARTUP 2026

Taratasy fangatahana TJE FEMME ENTREPRENEURE 2026

Fitsipika mifehy ny TJE FEMME ENTREPRENEURE 2026

Mitadiava masoivoho na GAB