bni-qualite-banner-image

BNI MADAGASCAR, banky Malagasy voalohany, dia mametraka ny kalitao ho ivon’ny paikadiny.

BNI MADAGASCAR amin'ny maha Banky Malagasy Voalohany azy, dia mampiseho am-pireharehana fa banky naorin’ny Malagasy ho an’ny Malagasy.

Ny kalitao no singa tena fototra ahafahanay manatanteraka ny tanjona stratejika napetrakay, ary miankina amin’ny soatoavina efatra manan-danja izany :

Fanoloran-tena

Maha-matihanina

Firaisan-kina

Fahitsiana

bni-qualite-content-image

Ny kalitao, fanatsarana mitohy ho fahafaham-pon’ny mpanjifa

Ny tanjona fototry ny Rafitra Fitantanana ny Kalitao dia ny fahafaham-pon’ny mpanjifa anatiny sy ivelany.
Miankina amin’ny kalitaon’ny asa ataon’ny tsirairay izany.
Miorina koa amin’ny fanajana ny fepetra ara-dalàna, ara-pifehezana ary takian’ny mpanjifa, mba hahazoana antoka fa mifanaraka amin’ny fenitra ny tolotra ary voafehy ny risika.

Ny kalitao, lalana sy fitaovana

Zava-dehibe ny fanamarinana fa mahomby ny firosoana amin’ny kalitao.
Mba hahafahay manatanteraka ny iraka napetrakay, ao anatin’ny fanajana ny soatoavina ijoroanay, dia manolo-tena izahay hanatsara hatrany ny Rafitra Fitantanana ny Kalitao :

  • Mihaino sy mamaly ny filàn’ny mpanjifa sy ny tsena
  • Mamantatra ny risika  sy ny vintana, ary manatanteraka ny fepetra mifanaraka amin’izany
  • Manome andraikitra ny mpiara-miasa ary mamiakatra ny fahaizany
  • Manatsara ny tontolon’ny asa sy ny fitaovana ampiasaina

La qualité, un engagement des collaborateurs et du management

Mihoatra lavitra noho ny fanarahana fenitra fotsiny ny kalitao.
Toe-tsaina, fitondran-tena, fandraisana andraikitra, fahavononana ary firotsahana amin’ny asa no anisan’ny mamaritra azy.

Zava-dehibe amin’ny fahombiazantsika ny fanoloran-tenan’ny rehetra amin’ny firosoana amin’ny kalitao.

Raha miara-mientana isika rehetra, dia afaka manangana kalitao maharitra ao anatin’ny orinasantsika

Antananarivo, ny 29 Septambra 2017

Alexandre MEY

Tale Jeneralin’ny Orinasa

Mitadiava masoivoho na GAB